NAMAKO (TOKY NIAINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Namako ô mihaino ahy ianao
Taona maro be dia be no efa nahalalako anao
Hatrizay tsaroako avokoa
Ireo fanompoana niarahana nanao

Namako ô tohizo ny ezakao
Na ny asa mbola atao tsy ho ambanin'javatra
Mandrapaha-vita ny adinao
Miorena tsara mba ho todisoa ianao

REF :
Indro izaho aty mivavaka ho anao ry namako ô
Izay no azo atao dia mahereza ianao, ka mandrosoa
Manohera ny asan'ny satana tsy handavo anao
NY fanevanao no hatsangano

Mino aho, fa raha hoavy ny andro
Ho vita ny asa ety dia ho antsoiny ianao
Jesosy miandry anao, tsy ho very ianao nihazakazaka
Izaho koa hanao izay fara-heriko, mba ho toa anao
Mba tsy ho diso anjara aho, fa hiara-paly aminao,
Ry namako ô!!!

Namako ô, indro lazaiko anao
Tsy mba nanenenako ny andro nahalalako anao
Ka izao hira atolotro izao
Hahatsiarovanao izay fiarahana hatrizay

REF :
Indro izaho aty mivavaka ho anao ry namako ô
Izay no azo atao dia mahereza ianao, ka mandrosoa
Manohera ny asan'ny satana tsy handavo anao
NY fanevanao no hatsangano
(X2)

Mino aho, fa raha hoavy ny andro
Ho vita ny asa ety dia ho antsoiny ianao
Jesosy miandry anao, tsy ho very ianao nihazakazaka
Izaho koa hanao izay fara-heriko, mba ho toa anao
Mba tsy ho diso anjara aho, fa hiara-paly aminao,
Ry namako ô!!!

Nah nah nananahhh nahhh!!!!

A/C : TOKY NIAINA RASOLOMANDIMBY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TOKY NIAINA
Vangy : 570
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 0341131376
Daty : 01/01/2022 16:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8583