You are here: home > Tononkira > Tineh

Miverena (Tineh)

Na dia mafy aza
Ny tsy anilanao
Tsaroako ho banga
Izao fiainako eto izao
Andro iray tsy ahitako anao
Tomany foana no atao
Ireo teny mamy tambitamby
Rediredy sisa am-poko ao

Ref
     Miverena fa irery aho
     Sasa-miandry manTsiky dia ampyina anao
     Miverena mbola anao ny foko tia
     Miverena ka modia

Ianao ilay nantenaiko
Tsy hivadika na oviana
N’inona n’inon’hozakaiko
Ianao ilay nitokiana
Ary ho fitia mandrakizay
Tsy noterena satria
Fa safidy ny ho tia
Anilanao dia hodoria

Mpihira : Tineh
Mpamaky : 4682
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 16/12/2002 05:17:09
ID : 1323

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo