Vehivavy koa mahavita azy. (Thiera Kougar)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mahamenatra mihitsy ny mifidy vehivavy e
Raha izay no vaha olana
Miara-misalahy isika mianakavy
Maneho fahavononana
Ny fivoarana faingana ho an'ny Malagasy isan-tokantrano

Tsy mena mitaha amin'ny hafa ny fenitra enti-mamokatra
Isika taloha raha complexe a
Izao efa tokony ho kopy lesoka
Fa ny fiainana hiainana
Anaty fivoarana miara-mikaon-doha
Fandrosoana efa mandondom-baravarana ho an'ny tsirairay
Fa na zoky na zandry,
Na lahy na vavy ny rehetra mitovy zo e

"Fa matoa nahitana masoandro,
Ny vehivavy mahavita azy "
Izy mahay mandrindra sy mandamina
Aoka hiara-hitantana ny lahy sy ny vavy
Ny tokan-trano hatramin'ny tanàna
Ka andao hifidy vaiavy ranamana
Andao @ izay ary hifidy vehivavy e
Fa izay no vahaolana
Miara misalaha isika mianakavy, maneho fahavononana
Ny fivoarana faingana ho an'ny Malagasy isan-tokantrano

Tsy mena mitaha amin'ny hafa ny fenitra enti-mamokatra
Hafarana tsara ny fara aman-dimby e
Sarobidy ny adidy e
Hanalana ny kapoaka mangidy e
Dia mila vaiavy voafidy e
Entano be daholo ny fianakaviana
Fomba fijerintsika efa afaka ovaina
Tsy hanambany aho na oviana na oviana
Izay lehilahy maheno ....aleo hazavaina hoe:
" Efa mandray andraikitra izy
Fa tsy hanasa vilia sy vilany fotsiny izy
Tia hanampy ny pokon'(olona) izy
Mahafantatra ny olana misy eny ifotony izy "
Efa hita eran-tany izany
Fandrosoana maharitra any
Dia andao isika ho any namana!!
Andao isika ho any namana!!

Andao amin' izay ary hifidy vehivavy e fa izay no vahaolana
Miara misalahy isika mianakavy, maneho fahavononana
Ny fivoarana faingana ho an'ny Malagasy isan-tokantrano
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Thiera Kougar
Vangy : 2648
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 20/04/2015 20:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0718