BOAY KELY (TCHECOMP ( TSEKOMPA ))

https://tononkira.serasera.org/hira/tchecomp-tsekompa-/boay-kely-1

TCHECOMP (TSEKOMPA) " BOAY KELY"

Tantara iray
nitranga atrizay
atolotro ho anao
ilay boay kely izay
teny aminay
ho vazoko ho anao

Tsy mba manana trano
fa mirenireny eny rehetra eny
Ny antran'olona sisa
no nitsetra azy
teo amin'ny fiainany

Tsy mba manana trano
fa mirenireny eny rehetra eny
Ny antran'olona sisa
no nitsetra azy
teo amin'ny fiainana

Harona kely izay
mazàna hitantsika
eny an-taTsiky dia ampynany
tsy mba vatsy hita ao
fa mitsindrotsindroka
eny rehetra eny  

Ny olona sasany aza
Mihomehy azy
tsy mba misaina akory
Mampalahelo ihany
toe-tsaina toy izany
Mitaky fanamboarana

Ny olona sasany aza
Mihomehy azy
tsy mba misaina akory
Mampalahelo ihany
toe-tsaina toy izany
Mitaky fanamboarana

Taty aoriana re
dia maty lery
tampitra ny tantarany
Ilay boay kely izay
teny aminay
no vazoko anao

A/C : Liva RAKOTOMALALA

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : TCHECOMP ( TSEKOMPA )
Mpamaky : 94
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : tiana1nomenjanahary
Tamin'ny : 30/11/2019 13:42:17
ID : 12240

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo