NAMBOLENA KA NANIRY (Tarika Voakininina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"NAMBOLENA KA NANIRY"

Nambolena ka naniry,
voakolokolo ka nitsiry
ireto zanaka amam- para
solofonao ry Madagasikara.

Lehibe ka hanolo- tena
hamaly valim-babena
ka hanao ny soa sy tsara
ho lazanao ry Madagasikara.

Ianao no niandohana,
ka tomady zato nofo,
aminao no hiafarana,
sy nandevenana ny tavoniko.

Ka na zovy, ny soa sy tsara
bikàna ho mendrika toa fiara,
ianao tsy takalozako,
fa nosindrazako ho ahy tsy hisolo.

Mpandrindra : Rija ANDRIAMANOHISOA na "GASY - RIJA" [G.R]
Gitara : Jean Colbert RANAIVOARISON
Web : http://www.myspace.com/tarikavoakininina
--------
Rohy: https://tononkira.serasera.org/hira/tarika-voakininina/nambolena-ka-naniry-1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Voakininina
Vangy : 2095
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : tarikavoakininina
Daty : 28/08/2007 22:48
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2022 - page load 0.1138