Potika sy revo (tarika lay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Potika sy revo tamin'indry aho marina mafy
Saingy tsy namboraka an'izany fa naleoko indray niafy
Vao miodina nefa dia injay, ity ilay tovolahy iray
Misakambina anao izy io tsy mba nanana ahiahy

Tsy nitakemotra akory aho fa naka bahana dia nitanisa
Eo aho mbola tsara lahatra miresaka mapandry adrisa
Narotsaka ny teny nirindra, nampiasaina ny ohabolana fatratra indrindra
Tsy azoko anefa ny fony, tsy voahodiko intsony

Réf:
Efa nisongonany tokoa anefa tamin'izany tsy misy todim-pitia
Tsy mba hitanondrika aho satria
Mbola betsaka mantsy ireo miandry ahy, betsaka ny tsara
Tsy hidikizo aho rehefa tsy anjara

Raha ny tiana no tsy azo dia mazana mankarary ny andoha
Ka natsoko indray hamerina ny lasanay 'lay tiako taloha
Saingy ny antsoko efa tara aoriana, izy mantsy lasan'olona amin'ny fanambadiana
Efa vonona ny hanamafy, hiezaka ny tsy ampirafy

Sanganehana ny tena fa tsy nety foana izay mba natao
Kanefa dia tsy kivy fa mitady tetik'ady vaovao,
Nampiasaiko ny fitafy nirindra, nampiarahana fihetsika ary nahavariana
Niorik'oditra indray ry zareo, ka nilaza nanao hoe:

Réf:
Efa nisongonany tokoa anefa tamin'izany tsy misy todim-pitia
Tsy mba hitanondrika aho satria
Mbola betsaka mantsy ireo miandry ahy, betsaka ny tsara
Tsy hidikizo aho rehefa tsy anjara
--------
Rohy:
Hevitra
0345021202 ( 22/04/2022 14:51)
Tsara ilay apk
0345021202 ( 22/04/2022 14:52)
Tsara ilay apk
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : tarika lay
Vangy : 480
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : 0345021202
Daty : 22/04/2022 18:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739