Ho avy (tarika lay)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha sendra tsy eto aho
Fa mba lasa any ho any
Hikaroka ny tsy misy e
Hamakivaky vazan-tany
Dia izao no tadidio
Mbola hiverina eto ihany aho
Hanasoa ny ankany e
Hanatsara azy hatrany.
(Fa ho avy aho e)
Ho avy aho, ho avy e
Tsy hitondra tanam-polo
Fa hitondra ireo remby e
Sy ny haza marobe
Ho avy aho, ho avy e
Tsy hitsena fahoriana
Fa horokoroka sy tsiky e
No arahim-pifaliana.
?
Raha sendra manjombona
Ka manorana any ho any
Arahin-drivotra mitsioka e
Mampanembon-takariva
Aoka re hanantena
Fifaliana mbola ho avy
Fa mbola hifankahita anie
Isika mianakavy
(Fa ho avy aho e)
Ho avy aho, ho avy e
Tsy hitondra tanam-polo
Fa hitondra ireo remby e
Sy ny haza marobe
Ho avy aho, ho avy e
Tsy hitsena fahoriana
Fa horokoroka sy tsiky e
No arahim-pifaliana.
?
Raha sendra tsy laitra
Ny alahelo havan-tiana
Mampanjeny ny fo e
Ahaory fanahy
Dia ritsio ny valiha
Araho sioka ivaiva
Hamerina ireo vazo e
'Zay niaraha-nihira
(Fa ho avy aho e)
Ho avy aho, ho avy e
Hiverina aty indray
Hamerina ny tsiky e
Sy hafaliana hatrizay
Ho avy aho, ho avy e
Tsenao eny antokotany
Tsy hivimbina mahia e
Fa hitondra matavy.
?
Ho avy aho, ho avy e
Hiverina aty indray
Hamerina ny tsiky e
Sy hafaliana hatrizay.
Ho avy aho, ho avy e
Tsenao eny antokotany
Tsy hivimbina mahia e
Fa hitondra matavy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : tarika lay
Vangy : 2222
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Cazkely
Daty : 02/07/2020 23:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2529