You are here: home > Tononkira > Tarika Evah

Mila tsiky (Tarika Evah)

Ilay tsiky avy aminao
No mba zavatra tsy foiko
Iny ianao toa kilalao
Maharavo ity foko

Ka ny zavatra ataoko
Toa manjary kilalaoko
Ka ny zavatra ataoko
Toa manjary kilalaoko

Ka rehefa hita fa matroka ny vodilanitra
Rehefa hitanao sarotra ka mila ho fanina
Ahinjiro ny tananao, hisy hery hivoaka avy ao
Hanome aina vaovao.

Rehefa ela tsy hita ka dia malahelo
Raha sendra mba mifanditra ny fo no lefero
Atsikio ny molotrao hisy hery hivoaka avy ao
Hanome ainTsiky dia ampya vaovao.

Rehefa valaka sy osa
Mila ho kivy ny fanahy
Velon-tsento moramora
Mibosesika ny tsiahy

Ka ny zavatra kasaiko
Tsy tanterako tsy haiko
Ka ny zavatra kasaiko
Tsy tanterako tsy haiko

Ka rehefa hita fa matroka ny vodilanitra
Rehefa hitanao sarotra ka mila ho fanina
Ahinjiro ny tananao, hisy hery hivoaka avy ao
Hanome aina vaovao.

Rehefa ela tsy hita ka dia malahelo
Raha sendra mba mifanditra ny fo no lefero
Atsikio ny molotrao hisy hery hivoaka avy ao
Hanome aina vaovao.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Evah
Mpamaky : 5873
Mpakafy : 3 Ankafizo
Nampidirin'i : hery
Tamin'ny : 10/07/2014 20:23:36
ID : 6607

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo