Andriamanitra ô! (Tanora M.H.M.S)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
-" (Andriamanitra ô! )"
    Misaotra anao izahay
    Notahianao ka tratr’izao."-
  
-"(Ny fahaleova..)
    Ny fahaleovantena izay (nome)
    Nomenao anay e! e!
    Faly, ravo koa satria
    Nahazo tena soa."-

-"Ny fifohazana izao (jereo)
  Jereo Jesô
  Ka mba tahionao (hiro….)
  Hiroborobo, sy handrombona
  ny fanjakanao
  Eran’ity ,ity nosinay."-

-"Tsaroanay ireo Ray aman-dReny
    Izay nitondra izao fifohazana izao
    Dada RAINISOALAMBO
    Dada RAINITIARAY
    Dada RAPETERA
    Sy Dada RAGÔSTINA
    Dada RAJOELINA sy
    Dada RABENJA ary koa
    Dada RAMANOELA."-

-"Manoloana anay ny Ray aman-dReny
  Dada RAVITA PETERA,
  izay mitondra anay ;
  Tafionao ny hery hitondrany anay
  Amin’izao, izao fanjakanao."-
      -" Ny fifohazana izao...ets

Sôlô:-"Hazony izahay Jesô
           Amin’izao fampianarana
           Tafio hery mba ho eo anilanao ,
           Ho eo anilanao mandrakizay."-
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora M.H.M.S
Vangy : 163
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Harinjakafitiavana
Daty : 19/03/2024 17:57
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0752