Ho avy ianao (feat Paris) (Sweet Gangsta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako foana ihany ny nahitako anao voalohany
Samy mbola kely 'tsika, ny fiantsoana ahy hoe ZO
Zao ianao toa ngeza sady niova avokoa
Taloha ianao mpirevy izao toa mpanao asa soa
Fotoana 'nge mihalasa tsy omby taratasy
Raha soratana eo daholo ireo izay ni-passe
Tadidiko ilay toerana fandehanantsika miasa
Ka lasa ny anaranao no antsoin'ny ankizy we Jess
Raisinao ny tanako dia mifanaraka
Betsaka ny tsara fa ny antsika niavaka
Tampoka eo anefa dia vita tapaka
Lasa tany am-pita ianao voatery hisaraka
(Lasa ianao dia very aho, lasa ianao nandeha
Mahatsapa tena irery aho tsy hita izay aleha)x2

(Ka raha henonao ity dia atolotro ho anao
Izaho tsy mila hafa fa ny ilaiko dia ianao
Ny elanelan-tany tsy mba hampangiana ahy
Tsy hahavariana ahy, manantena indray)x2
Fa ho avy ianao.

Tsaroako tamintsika nifankatia taloha
Tsy nisy nanahirana; fitiavana tokoa
Ianao nitantana ahy mba hiara-droa
Ny tanantsika nifandray, tsy nifankafoy
Iray ny lalana hodiavina
Hoe hotanterahina avokoa ny tanjona
K'aza omena tsiny za baby fa tsy fidiny ho ahy
Satriko ho anilanao f'izay no anjara ho ahy
Izaho tsy nanampo hoe ho lasa lavitra
Fa raha ny antsika roa tsy mbola tapitra
Atambatro ho nofy izay tsy hiaraka
Fa ny aoriana aloha tsy mbola ho fantatra
(Mahatsiaro manirery aho tsy maintsy hiandry koa
Fa mbola manantena aho ho iray isika roa)x2

Ka raha henonao ity dia atolotro ho anao...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sweet Gangsta
Vangy : 2934
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : Legass boy
Daty : 13/01/2016 13:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0891