Ampatsiaivo ahy (Sweet Gangsta)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanadrana nandroso tany alavitra
Na tsisy anao navita na dia manina
Nefa kosa tsisy antony ahatongavanao
Ato antsaiko anefa mafy ny anaranao (Ka ampatsiaivo ahy ee!!)
Lany ny aiko, resy ny saiko
Tsy fanahiniko, na tiako / tsy tiako
Ianao no manjaka am-poko maratra
Na tiako hiala, mitohy ny tantara
Ianao nanana hafa, nahatsiaro aho naratra
Kanefa tsy azoko oe ahoana aho no mbola mahazaka
Ny mahatsiaro anao tsy tokony atao
Ka izay no iangaviako, ka ampianaro ahy:
Ny mahatsiaro ireo ratsy vitanao
Fa tsy ny hafaliana namitaka ahy atramin'izao
Satria raha ny foko no henoiko
Dia miantso ny anaranao atramizao, ka ampianaro ahy:
Ny manavaka ny ratsy, ampianaro ahy:
Ny manala anao antsaina, ampianaro ahy:
Ny manadino sy mandroso, ampianaro ahy:
Fa efa tonga ny fotoana, Ny fitiavako andeha

Ka mba avelao ny fiatiavako andeha
Mahatsiaro gadra aho fa avelao aho andeha
Haiko ianao any tsy mahatsiaro ahy
Izaho irery no eto foana, ka ampahatsiaivo ahy re
Ny manadino anao ampahatsiaivo ahy re
Rehefa tsara ianao dia ampahatsiarovy ahy hoe:
Nijaly aho taminao kanefa mitady ho adino
Ny hatsaranao tsy hanome ahy ny hafaliana

eee!!Bandy eee!!
Anariko ialahy aloha ry zandry eee!!
Ny taona mandroso,ny tany miova, ialahy no tavela tsy mandry eee!!
Nefa ny vokatra lesy tsy mamba eee!!
Fa ialahy no variana mandady eee!!
Tsarovy fa na avy ny orana, ao aorina ao foana ny masoandro eee!!
Ovay ny loha, mafy ny fo, mijery any aloha
Rehefa mijaly mahaiza manaiky sy manindry fo
Zay aloha ny hafatra fa mba mahaiza mijoro ialahy
Ampy dia ampy, Aoka aloha izay, Aleo miala "pas"
Rehefa lasa ny fotoana, isika variana eee!!
Ny mahatsiaro ny taloha, tsy mandinika eee!!
Fa ny ho avy anie efa mazavva daholo eo alohanao eo
Na dia aiko fa tsy mora ny mandroso anie
Rehefa tsisy ny ezaka dia tsisy vokatra eee!!
Izao dia izao dia teneno hoe efa hita foana Izay lalana aleha
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sweet Gangsta
Vangy : 663
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : manitraharisontaxjam
Daty : 10/05/2020 10:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0734