ISIKA ETO AN-TANY (STK FEON'NY FIHAVAOZANA ANTANIMENA ANDREFANA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Isika eto an-tany ry 'zareo
Dia toy ny voninkazo
Mivelatra tsara ny maraina
Dia nony hariva dia malazo
Vetivety foana
Dia indro fa mihintsana
Mandalo toy izany ô
Ny fiainana eto an-tany

REF:
Raha mbola eto an-tany isika izao
Mahaiza misaina izay atao
Fa ny eto an-tany dia mandalo
Toerana mety hampimalo
Ny fivavahana dia lalan-tora-tady
Hizoran'ny mino
Mankany ankoatra

Isika eto an-tany dia mazàna
Toa taitran-drendrarendra ka tamàna
Adino fa ny andro mihariva
Andraso andraso mandrakariva
Ny jiro fitsilovana e! ho lany
Ny hazavana mihadify hatrany
Mielina ihany ô
Ny fiainana eto an-tany

REF:(2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : STK FEON'NY FIHAVAOZANA ANTANIMENA ANDREFANA
Vangy : 3052
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Tsirissi
Daty : 07/08/2009 10:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1753