Raha sendra (ft Odyai) (Skerzo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Asa ianao raha mba hahatsiaro ahy
Raha sendra lasa any ho any
Asa ianao hahatsiaro ahy
Raha sendra lasa any ho any


Asa ianao raha mba ohatra ahy
Raha sendra lasa lavitra
Tsy eo anilanao d'efa koboko fa ho sarotra
Tsy aiko izao ianao raha mahatsapa izany koa
Fa ny antsika lavtry ny maso fa akaiky ny fo
Raha sendra malahelo,tonga d antsoy
Ireo adalana haleveno,fa ny antsika tiako hitohy
Isak'alina aho mivavaka ho antsika roa
Vao may mitombo akia ny fitiavako
Be noho ny taloha
K'asa ianao raha mba hahatsiaro ahy


Asa ianao raha mba ohatra ahy
Rehefa masoko mikipy,ny endrikao no hitako
Sady miampy tsikitsiky
Misesisesy ny andro f'ianao manome nofy
Anao foana ny foko fa ny toerana no miova
Ka izao aloha aza adino,f'ianao ihany lay tokako
Ilay sarinao aty amiko dia iny mba orohako
Ireo fakam-panahy,tsy maintsy misy ireny
Fa matokisa ana fa izaho tsy hamela anao irery
K'asa ianao raha mba hahatsiaro ahy


Asa ianao raha manadino,fa izaho aloha tsy @zany
Mibanjina ny lanitra dia izaho maniry ny ho any
Satria akaikinao no mba ahazoako ny hafanana
Masoandron'ny fiainako mitondra hazavana
Mba asivo eritreritra na iray minitra monja
Ianao anie ho ana mamiratra toa diamondra
Ka raha fitia no ilaina,omeko tsisy tambiny
Raiso akia ny tanako f'efa firako ny ambiny
K'asa ianao raha mba hahatsiaro ahy

Asa ianao raha mba hahatsiaro ahy
Raha sendra lasa any ho any
Asa ianao hahtsiaro ahy
Raha sendra lasa any ho any
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Skerzo
Vangy : 5698
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Nathy.Gartner
Daty : 02/01/2015 18:05
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071