You are here: home > Tononkira > SIMS

Mandrapitafa (SIMS)

https://tononkira.serasera.org/hira/sims/mandrapitafa

Raha fantatro hoe ho may ny trano navoakako ihany ny entana
Raha fantatro hoe ho lasa aloha loatra ianao nanararoatra aho
Raha fantatro hoe voafetra ihany ilay fafinaretana
Otr'izay mba nilaza niotra ny zato aho hoe tiako ianao
F'izao ranomaso ô!!
no sisa lasa fahatsiarovana
ny fonay ty torovana ah!!
tsy nahavita na veloma
Te hiverina mafy
ireo fotoana niarahana
tiako mba hivavahana
hiverina indray ka nefa indrisy

  Ka mandrapitafa ee!!
  mbola hiaona any isika ee!!
  Hiaraka hitsikitsiky ee!!
  Fa androany aho aloha mitomany
  Ka mandrapitafa ee!!
  fa izay tsy hitsahatra ny hahatsiaro
  ireny fifaliana maro
  fa veloma alohatononkira.serasera.org ny androany

Raha mba fantatro efa ela mantsy mba niezaka ihany teny aho
Fa toy ny mahazatra nanantena hoe mbola hiaona eny ny ampitso
Ohatr'izay aho mba nandany fotoana maromaro taminao
Fa mino aho fa hamela ahy ianao raha toa aho ka diso
F'izao ranomaso ô!!
no sisa lasa fahatsiarovana
ny fonay ty torovana ah!!
tsy nahavita na veloma
Te hiverina mafy
ireo fotoana niarahana
tiako mba hivavahana
hiverina indray ka nefa indrisy

  Ka mandrapitafa ee!!
  mbola hiaona any isika ee!!
  Hiaraka hitsikitsiky ee!!
  Fa androany aho aloha mitomany
  Ka mandrapitafa ee!!
  fa izay tsy hitsahatra ny hahatsiaro
  ireny fifaliana maro
  fa veloma aloha ny androany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : SIMS
Mpamaky : 131
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : manitraharisontaxjam
Tamin'ny : 30/05/2020 14:38:33
ID : 12785

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo