TSY HAIKO (SANGA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy haiko raha fantany, fa amiko izyDia raozy tsara fakany
Tsy haiko raha tsapany, fa ny foko
Mihitsy no efa lasany
Ref:
Tsy haiko fa masina ny teny
Nefa tsy hisy voambolana hilazako ny halehibeny
Ny haleben'ny fitiavany ahy e
Mangeniheny!!!
Tsy haiko fa babony aho eh!
'Lay fanomezan'ny lanitra madio, mahafinaritra
Manimanitra eh!!
Oaray ry Andramanitra!!
Hangata-bavaka aho eh!!
Mba tahio re ry Ray izay malalako izay
Izy ilay olona tena tsara
Tsara fanahy
Hisaorako hoa ny Ray aman-dReny!
Nikolokolo nanatsara vaiavy toy ireny
Sambatra izy manana anao
Tsara kalitao
Tsy haiko raha hitany, fa matoa sambatra toy izao aho
Dia nohon'ny zava-bitany
Tsy haiko raha reany, ireo feo mitalaho ao anatiko ao
Milaza fa izaho, izaho dia azy irery
Ref:
Tsy haiko fa masina ny teny
Nefa tsy hisy voambolana hilazako ny halehibeny
Ny haleben'ny fitiavany ahy e
Mangeniheny!!!
Tsy haiko fa babony aho eh!
'Lay fanomezan'ny sarobidy, mahafinaritra
Manimanitra eh!
Oaray ry Andramanitra!!
Hangata-bavaka aho eh!!
Mba tahio re ry Ray izay malalako izay
Izy ilay olona tena tsara
Tsara fanahy
Hisaorako hoa ny Ray aman-dReny!
Nikolokolo nanatsara vaiavy toy ireny
Sambatra izy manana anao
Tsara kalitao
--------
Rohy:
Hevitra
tanjonajinot
(
23/11/2021 01:03)
tiako loatra ilay hira dia izay no mba hizarako azy ato fa sao dia mba misy tia azy ihany koa
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : SANGAVangy : 928
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : tanjonajinot
Daty : 23/11/2021 22:26