Anjely mpiambina (Sahedena)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao ilay tokana nateraka ho ahy
Efa voasoratra fa ianao no namako
Ka tsy ho irery intsony aho hankafy liay hasambarana
Fahoriana ho ahy ilay minitra iray sy ahitako anao
Izao rehetra izao toa zava-poana ho ahy
Tsy feno ny fiainako raha lavitra ahy ianao
Tsy mahafoy anao aho sy ireo bedibedinao
Nanjary ho hasambarako....

Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao
Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao

Ekeko fa ianao no anjely mpiambina ahy
Na lavitra aza ianao ,ny foko miandry anao
Ka tsy andriko intsony dia lasa aho nanoratra
izao hira izao mba ho anao

Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao
Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao

(feo-kira)

Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao
Very e, tsy maty afo anie aho, toa katry lava izao raha tsy eo ianao

SAHEDENA
--------
Rohy:
Hevitra
ramaprod ( 25/10/2017 10:15)
Slt,

Mankasitraka eh.

Sao misy manana an'ilay album azafady?
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Sahedena
Vangy : 2206
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mion
Daty : 31/03/2007 09:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0727