You are here: home > Tononkira > R'Zalà

Nofim-pitia (R'Zalà)

param pam pam pam
De mangalatra fijery
Mody miondrikondrika
Sarokenatra ka very
Tsy mahita izay atao
Nefa ny ato ampoko kosa
De fitiavana miavosa
Tena tia ka vahotra
Tonga resy tahotra
Nofimpitia mahavaky loha
Zay lalovany toa mamay avokoa
Marary an-doha
Ho tantanako
Ho sakambiniko
Ho fihinako anaty nofy ihany koa ianao
Horohako

Raha ny faniriako anefa
Hirariako mba hiantefa
Aminao zao nofy izao
Ka ho tia ahy koa ianao
Raha ny faniriako anefa
Hirariako mba hiantefa
Aminao azo nofy izao
param pa ram pa ram
tononkira.serasera.org
Tapakevitra hijery
Fomba hanantonan'azy
Nde nandray mafana kely
Ka nasiana vazivazy
De mibanjina ny masony
Teo vao raikitahotra
Izao indray no nasaina nandihy
Hay tafita ny hafatra
Izay lay fitia
Mahafaly fo
Zay lalovany toa sambatra avokoa
Ravo tokoa
Tantanako ho sakambiniko
Ho fihiniko tsy ho nofy intsony
Fa efa io ianao horohako
Ka fitia tena matotra
No homeko mba hamatotra
Ianao irery sombinaina
Ianao irery no lalaina
Ka fitia tena matotra
No homeko mba hamatotra
Ianao irery sombinaina
Ianao irery no lalaina
pa ram pam pam pam

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : R'Zalà
Mpamaky : 224
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : njara2007
Tamin'ny : 17/02/2019 17:50:57
ID : 11381

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo