Ianao ihany (Ryxon)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
tsy ho vitako,tsy ho tantiko
ny hiaina tsy misy anao
ny heritreritro sy ny ato ampoko
amiko ianao "izao tontolo izao"
bridge: ny hoe irery izany mety ho vitako ihany
raha tsy ianao no teo fa olon-kafa
refrain:
ny tananao ihany no tiako itantana ahy
tsy mila olon-kafa aho na iza izany
tsy foiko intsony ianao ilaiko rahatrizay
anao izay fara-heriko aho ahasambatranao
ny fijerinao,ny fihetsikao
tsy ho voafafako ato andoha
ho very ny fifaliako raha mandao ahy ianao
ianao irery ihany no tena tiako
bridge: ny hoe irery izany mety ho vitako ihany
raha tsy ianao no teo fa olon-kafa
refrain:
ny tananao ihany no tiako itantana ahy
tsy mila olon-kafa aho na iza izany
tsy foiko intsony ianao ilaiko rahatrizay
anao izay fara-heriko aho ahasambatranao

Mahakanto
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ryxon
Vangy : 1782
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mahakanto
Daty : 16/12/2018 22:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0731