Homany ny hoavinao (R.Randri (Rivolala) feat Mi-Vocal)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy moramora ny manomana ny ho avy
Sy izay any aoriana
Mila mitandrina mila miomana
Mila mailo tsy ho varimbariana
Na hianatra,na hanambady
Ny safidinao
F'izay no mamaritra
Mamaritra,ny hampitsonao

Dinio tsara moa,namako oh
Izay tokony hatao
Fa ny manao ny tsara anie , havako oh
Tsy ho hanenenanao

Réf:
Iarahana mahalala eh
Miha-manahirana izao fiainantsika izao
Aza mihadaladala eh,
Ny hoavinao hamiratra no karakarao
Karakarao

Mila miezaka ianao
Raha te ho tafita amin'ny fiainana an an

Satria amin'izao anie
Tsy hita izay hitarainana oh oh

Fa mila mahery eh eh
Mila matanjaka an an

N'inona hiaritre eh eh
Tsy maintsy ho tafita amin'ny fiainana aho

Ianao mila miaritra eh
Fa ny fiainana amin'izao efa sarotr'eh eh

Fa malama maina anie ny tany

Réf:...

A/c:R.Randri(Rivolala),Mi-Vocal 2024
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : R.Randri (Rivolala) feat Mi-Vocal
Vangy : 51
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rivolala
Daty : 25/07/2024 09:03
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1105