Miandry foana (ROM'JT)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref: JT
Na de lavitra aa
Ny elanelan'tsika roa
Eto foana ah
Tsy anadino ny taloha
Miandry anao,hiverina indray
Tsy haiko enao ra mba toa ahy.

1 ROM:
Any alavitra any enao fa izaho aty matsiaro
Isan 'andro miantso anao,indrisy tsy mahazo
Ilay sarinao tazako no sisa mba tavela
Mba modia amizay moa e! fa aza maharitra ela
Toa nisinda vetivety ny hasambaran tsika roa
Tsy maintsy nandao anah ianao hitady izay mahasoa
Fitia nandalo ihany nefa samy latsapaka
Na izaho na ianao ny alahelo toa tsy zaka
Iny ianao nandao lasa tsy hita lavitra any
Alahelo ny ah aty angoamana mitomany
Ra hitady aloha tsy ahita,ny asolo koa tsy misy
Miverena mba mandalo e !
Zany moa ry piso a !!

Ref JT: Nade lavitra aza,...

2 ROM:
Nisesy indray ny andro, volana,ny taona.
Toa tsy hita intsony ianao,angamba tsisy fotoana
Ny foko malahelo nefa tsy hita izay hatao
Ny any mba lazaiko de ny hoe za tianao
Enao ve mba matsiaro ilay fiarahana vitantsika
Ilay irana mikija niafiana ny hatsika
Tantara sisa ireny miandry anao io vao mitohy
Fisarahana nofy izany fa ny antsika tsy hafoy
Lay sarintsika roa nataoko pdp
Fa tsy misy hasolo anao izany na sipa bediabe
Ianao no natsapako ny hatao hoe fitia
Mierena aminizay moa!
zany moa Cherie a!

JT: Tsy hita ntsony izay hatao
fa efa lasanao ny fo
Ra re nao zao antso izao
izaho aty miasa loha

ROM: yeah!! ,izay le aingampanahy avy aty aminay mitsam atolotra ho anao sy ho anizay mpikifa rehetra..haha
..lalampiainana zany kop daholo lisany yeah!

Ref JT : Nade lavitra aza...(fois 2)

Tapitra
Jereo ao am youtube ny hira ra sitrakao ..misaotra indrindra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ROM'JT
Vangy : 1696
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : jt02
Daty : 16/03/2017 14:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713