You are here: home > Tononkira > Rindra

Ratra (Rindra)

Aiza intsony moa
Ilay fitiavanao namiratra taloha
Zary foana ireny
Toa nandao ahy tsy an-kiteniteny

Niezaka ihany
Ny hanao izay hahatamana anao hatrany
Kanefa indrisy
Dia nitsahinao toy ny tsy misy

Fa nofenoinao ratra anietononkira.serasera.org ty foko mbola tia
Ilay mba niandrandra mafy ny ho doria
Tsy hiantso tody anao anefa aho sanatria
Zakaiko ny ahy ndeha zory izato dia

Ho sarotra tokoa
Ny hamafa ireo izay vita teo aloha
Saingy izay no anjara
Tsy maintsy halevina ho avalona ho tantara

Mpihira : Rindra
Mpamaky : 3493
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 04/05/2015 13:41:47
ID : 7440

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo