Veloma ianao (Rija Oelijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vorona aza moa mahalala mody,
Rehefa injay midona ny oram-pahavaratra
Ireo tsiriry zana-drano
Mandao kamory rehefa tonga ny tsy azony hanoharana.

Ny alina aza aky,
Noraisiny ho rafiny iny taratra maraina
Nahoana no izaho, trotraky ny talaho
Reraky ny miangavy anao.

Moa tsy hampody aina aloha
Sa hisitaka haka saina
Satria nofo sy rà ny ahy
Moa ve tsy aina?
Malala ny mangirifiry
Raha sendra maratra.

Eny na dia hoe miredareda
Ny afo lavitra tsy azoko amindroana
Raha fanala mitsilopy
Tsy hoentiko hitety alim-be
Mikitroka sy feno aizina.

Raha sento sy tolo...ko
No any azoko jinjaina raha fararano
Tsy ho tsiny angamba hoy aho
Raha toa ka dieny izao
No hifampitso-drano.

Raha fikelezanao tiana
No hitondrako fahoriana
Tsy ho tsiny angamba hoy aho
Ny handao anao
Hitia olon-kafa anie aho
Koa veloma ianao.

Raha sendra ka
Any ho any ianao ka
Mandreha izao hira izao, aoka lahy
Tsy hamoaka eny na dia sento iray
Fa sao lahy handratra anao
Ao aoriana ao.

Fitiavana no manosika ahy
Hiantoraka eny aminao
Ka Handao
Aleo hirotsaka ilay vongandranomasoko indray mitete
Ndrao manody anao.
--------
Rohy:
Hevitra
mateotynambs88 ( 21/09/2018 14:11)
Tena tiko be ilay hirany
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Oelijaona
Vangy : 25056
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : Ketsa
Daty : 09/06/2004 09:10
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713