Fiainana (Rija Harinjaka feat Fy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Fy)
Raha izao fiainana izao tokoa dia:
Toa mandalo sy mielina avokoa
Tsy misy izay lafatra sy ho doria ôh!
Fa miaritra ireo harena ety.

Tsy misy mahalala izay lantony fa
Samy miezaka manao izay ho afany,
Hoe izaho ity dia tena te hiadana sy ho finaritra!

(Rija)
Raha izao fiainana izao tokoa dia:
Maha lasa saina mankarary ny loha
Manjaka ny ny aratsiana sy fitiavan-tena ôh!
Mahavaky fo.

Tsy misy intsony ireo azo antonka na
Olona mba azo hianteherana
Izy Tompo no hany tokana tena mpanafaka!

Ref:
(Duo)
Ouh! Jesoa miantso anao anio re ry namako ô!
Izay manantona ahy dia tsy ho laviko
Fa Izaho mandray azy hatrany hatrany

Ouh! Jesoa miantso anao anio re ry namako ô!
Aty no ahitana fiadanana sy tena fiainana!
....

(Duo)
Raha izao fiainana izao tokoa dia:
Maha lasa saina mankarary ny loha
Manjaka ny ny aratsiana sy fitiavan-tena ôh!
Mahavaky fo.

Tsy misy intsony ireo azo antonka na
Olona mba azo hianteherana
Izy Tompo no hany tokana tena mpanafaka!

Ref:
(Duo)
Ouh! Jesoa miantso anao anio re ry namako ô!
Izay manantona ahy dia tsy ho laviko
Fa Izaho mandray azy hatrany hatrany

Ouh! Jesoa miantso anao anio re ry namako ô!
Aty no ahitana fiadanana sy tena fiainana!

Pont:
(Fy)
Eh! Ny fiainana an-tany anie fandalovana!
(Rija)
Feno fitarainana,
(Duo)
Feno ankasomparana!

Fy)
Dieny izao
(Rija)
Ny mombamomba anao
(Fy)
Ny hoavinao
(Duo)
Ankino amin'Andriamanitra, ilay fitiavana.
....

Ref:...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rija Harinjaka feat Fy
Vangy : 29
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 30/12/2024 08:09
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0759