Neny (RHYAZ Nantenaina)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Neniko,
Tiako ianao,
Ianao ilay nitaiza ahy
nanabe anay
nanambitamby ahy atramin'izay

Faniriko, neny oh, ianao hitoetra eto anilako mandrakizay
tsy miala fa eo foana hianteherako
Hivavaka ho anao aho
ho salama lalandava
ka hahavita ireo adidy sy andraikitrao ianao

Tiako ianao, neniko
ianao ilay nijaly mafy
niafy mba hampiadana ahy
nanao atrany izay hahasoa anay


Tsy ho voavaliko ry neny,
raha ny soa nataonao tamiko omveny2
ireny anie hivaly aminao
Ny hany fanomezana,hohezahako hovitaina
dia ny fahendrena sy ny mianatra tsy mba alaina

Tiako ianao, neniko
Ianao ilay nahafoy ny hery
mba ho fitsinjovana ahy
Neny tena tinay

RHYAZ 11-07-18 21.08
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : RHYAZ Nantenaina
Vangy : 847
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : safidimalala
Daty : 12/07/2018 19:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2739