Rafianarana (Tarika Remy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy nikely soroka aho namonjy sekoly
Namerin-desona nazoto niari-tory
Tsy maintsy manao enti-mody vaovao

Raha tsy mahay tsianjery dia voavelively
voaveliin'ny neny nahatsiaro nahamay
ny mokondohanay voazeran'ny kibay

Reo madama marobe demozely sy mose
na gasy na vazaha dia tsy misy ialàna pas
namely avokoa tsy mba misy indrafo

voatery nikiry tsy nitanondri-doha
nihezaka hampitsiry hampitombo ny ambo-po
satria voakaravasy raha mi-double kilasy

tsy misy fiatoana fa mianatra foana
cartable ambabena feno boky sesehana
Hianarana avokoa fa hoe mitondra sooooooa !
lesona rehetra natao hay avokoa
natao tsisy fetra : ny misondrotra kilasy no atao tarigetra

Rehefa any an-tsekoly nafoy hatreo ny ala-voly
Motimotina hendry be eo am-bodin’ny kahie
Ny miteny dia rarana mihaino ny fanazavana

Tsongo sofon-dramose, tehamaina mafy be
Voatoraky ny lakré, raha miseho ho basivava
Na mitodika ise fa hoe mitabataba

Rehefa mba lehibebe dia mahazo CEG
Nahalana ny karavasy niatra tao an-dakilasy
Fa sazy hafahafa kely no natetika namely

Raha tsy mahay français na tsy mahay mi-conjuguer
temps passé composé dia namafa gabone
gabone naloto be raha tsy izany dia " collé "

tsy misy fiatoana fa mianatra foana
……
lesona rehetra natao hay avokoa
……

Afaka ny BEPC dia nananika lycée
nafoy ny fafa gabone sy ireo sazy marobe
Fa ny tena zava-doza raha naditra renvoyer

latsalatsa tsy hay raràna no nahazo anao mazàna
Fa hanomana ny bac fandrahonana tsy zaka
no mahazo am'izany mampirotsaka tomany

Vita ny an'ny firenena efa tena mato-tsaina
io ilay tranobe jerena miandry ery Ambohitsaina
eny indray no andrandraina raha hanitatra ny saina

Fa eny indray tsy misy quoi tsy mba misy manontany
raha tsy mihezaka ialahy dia miosona amin'ny tany
'Reo mpampianatra am'izany dia mampianatra ihany

tsy misy fiatoana fa mianatra foana
Policope no lanjaina ampidirina ao an-tsaina
Hianarana avokoa fa hoe mitondra sooooooa !
lesona rehetra natao hay avokoa
natao tsisy fetra : ny misondrotra kilasy no atao tarigetra

EPP,CEG,Lycée,Université handalovana avokoa
nandaniana ron-doha tsy natao kitoatoa
fa hoe mitondra soa
mety ho ratsy mety ho tsara ny ho vokatr'izany
sy ny mety ho fiafaràny fa ny masaka ao an-tsaina
dia ny hianatra hatrany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tarika Remy
Vangy : 12396
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : tafitaina
Daty : 02/10/2013 09:56
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1281