You are here: home > Tononkira > Tarika Remy

Porofom-pitia (Tarika Remy)

https://tononkira.serasera.org/hira/remi/porofom-pitia

Eo am-body fefy aho no miandry anao
Isan-kariva maizim-pito
Tsy miala teo mihitsy aho mandrapahatonganao
Porofom-pitiavako anao.

Na lohataona maina na ririni-mamirifiry
Iafiako, iaretako hatrany
Ny foko mazoto, ny saiko mikiry
Porofom-pitiavako anao.

Na orana mikija na rivotra mifofo
Tsy afa-manakana ny diako
Odiako tsy hita ny tadio mitorajofo
Porofom-pitiavako anao.

Sonenika ery e, mikotaba
Entanim-pitia toa tsy ho rava
Namela ratra ao am-po
Tsaroana ka kalokaloina
Sonenika ery toa tsy hTsiky dia ampyifandao
Entanim-pitia toa tsy ho lao
Eo am-body fefy no mitalaho
Tsaroana ka kalokaloina

Ireo teny mamy nataonao ahy
Mandrotika fo sy fanahy
Ireo sangisangy manapa-tsinay
Porofom-pitiavanao ahy

Any am-pianarana aho tsy mety mahay
Ny saiko mankany aminao
Zéro sur vingt ao anaty bulletin
Porofom-pitiavako anao.

Sonenika ery e, mikotaba
Entanim-pitia toa tsy ho rava
Namela ratra ao am-po
Tsaroana ka kalokaloina
Sonenika ery toa hifandao
Entanim-pitia toa tsy ho lao
Eo am-body fefy no mitalaho
Tsaroana ka kalokaloina

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Tarika Remy
Mpamaky : 4272
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : ikalamako
Tamin'ny : 19/09/2015 13:10:36
ID : 7754

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo