You are here: home > Tononkira > Red Jah

Hifandao (Red Jah)

Na mbola tiantsika aza ny hiaraka foana,tsy hifandao
Satria,tsapa fa mamy ny fotoana niarahana
Ankehitriny, tsy maintsy hofaranana ny lalao
Fa tonga ilay ora tsy maintsy ifandaozana

Toa, tsy haiko ny hiteny
Hanao veloma anao
Fa feno alahelo ny fo
Tsy zakako ny hijery
Handinika ny masonao
Kotsan-dranomaso
Kotsan-dranomaso


Any lavitra any, aza adino zay rehetra natao
Izaho mbola eto ihany, miandry am-pitsikiana anao
Manantena foana, fa mbola ho avy ny andro iray
Mbola hisy fotoana hiaraTsiky dia ampyhantsika hifaly indray

Ny vavako, angatahiko amin'ny Ray
Ny fitiavanay haharitra ho mandrakizay

Toa tsy haiko ny hiteny
Hanao veloma anao
Fa feno alahelo ny foko
Tsia, tsy zakako ny hijery
Handinika ny masonao
Kotsan-dranomaso
Toa (toa), tsy haiko ny hiteny (tsy haiko ny hiteny)
Hanao veloma anao
Fa feno alahelo ny foko
Tsy zakako ny hijery
Handinika ny masonao
Kotsan-dranomaso
Kotsan-dranomaso

Indray andro any isika
Hiaraka foana tsy hifandao


Tonony: Ny Antsa sy Jaspyrs
Feony: Jaspyrs
Daty: 17 Desambra 2014

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Red Jah
Mpamaky : 855
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : sedera jaspyrs
Tamin'ny : 19/12/2014 11:15:07
ID : 6899

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo