VAVAKA (Rav'N)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oh! Ry Ray o
Mitady Anao izahay
Fa tena miha-mafy anie ny fiainanay
Miha betsaka mitombo ireo ratsy
Manjaka ny habibiana
Oh! Ry Ray o
Mila Anao izahay
Fa tena miha-reraka ny fanahinay
Miha-maro ny adalana
Manjaka ny haditrana

Ref:
Ray o!
Mahatoky Anao
Manantena famonjena
Avy Aminao izahay
Ray o!
Midera Anao
Fa lehibe
'Lay Fitiavanao

Fantatray fa Mpamomjy Hianao
Henoy ny vavakay
Mamela anay
Mba jereo ireto zanakao
Miangavy sy mitalaho
Hinonay fa mihaino Hianao
Na malemy sy osa
Ny mpanomponao
koa hankinay Aminao daholo
Ny fiainanay manontolo

Ref:
Ray o!
Mahatoky Anao
Nanantena famonjena
Avy Aminao izahay
Midera Anao
Fa lehibe
'Lay Fitiavanao

.............
VONJEO RY RAY O!!!
...
Vonjeo ry Ray o
Fa mpanota re ny zanakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rav'N
Vangy : 1790
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra : rajoharyhary
Daty : 27/09/2015 18:28
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733