Sady faly no malahelo (raouto)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dadabe efa lasan-ko razanaBebe efa lasan-ko razana
'Zaho mbola ho razana
Ianao mbola ho razana
Vahiny anie, tsy mijanona ela
Samy handeha, fa miandry lera
Fa manino tsy mifidy alaina ianao rafasna ô
Antitra, tanora, zaza mena vava lasana ô
Varavaram-bato, izay lasa ao tsy tafaverina
Mahonena mahonena mahonena
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy ye ye ye
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy eeeeh
Sady faly aho no malahelo (x2)
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Dia mitady hitomany aho
Na dia efa maty aza tsy afaka am-ponay
Havanay foana, na tsy namanay intsony
Rehefa tonga ny ora tsisy hoe "aoka aloha"
Tsy hay hoe rahaovina no antsoin'ny ao ambony
Fa ny hirariana anie dia ny mba ho ela velona ô
Na dia fahoriana no iafaran-draolombelona ô
Ny anton-dianay dia miandry anao rafahafatesana ô
Izay no ahatongavana eto ô
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy ye ye ye
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy eeeeh
Sady faly aho no malahelo (x2)
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Dia mitady hitomany aho
Fa dia ataonay mahita, raha ny vary be menaka be
Misy mitsoka mozika : Barampampampampam !
Asio : Barampampampampam !
Avereno kely hoe : Barampampampampam !
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy ye ye ye
Yeee yee ye ye ye ye ye ye
Mifangrao ny mamy sy mangidy eeeeh
Sady faly aho no malahelo (x2)
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Malahelo ny havanay 'zaho 'zany
Dia mitady hitomany aho
--------
Rohy: