Hain'lah ihany (Rak Roots)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Io foko io rehefa tia dia miantsampy eny amin’izay tiany
Tsy voatana fa mifikitra, tsy voafehy izay faniriany
Tsy mijery na misaina izay mety hahazo azy ao aoriana fa
Io foko io rehefa tia dia matoa indry ao dia tena tiany.

Io foko io rehefa tia dia hita foana fa tsy amboarina
Tsy mila forcé-na fa lazainy anao foana ny marina
Io foko io rehefa tia dia manome tsy miandry valiny fa
Matoa indry mbola eo dia tena misy dikany lalina.

Io foko io rehefa kivy dia tsy mila an’iza n’iza
Manan-danja be ho azy ny segondra sy minitra ka
Raha sendra lavo ianao any an-kafa any dia tsy hita dia
Rahampitso ihany ianao dia toy ny tsisy fa toy ny tantara sisa.

Tia raozy mamerovero io fa ilay tena izy fa tsy plastika
Tia masoandro mibaliaka io fa raha labozia dia tsy tafa isika
Tia loko midorehitra io fa tsy ilay loko mazava alina
Tia fotsiny tsy misy tambiny io fa tsy tia zavatra amboamboarina.

Io foko io rehefa reraka tsy menatra mitomany
Tsy menatra an’iza n’iza io fa izay mampalahelo azy avoakany any
Io foko io manan-tompo fa tsisy mahalala afa-tsy izy ihany
Fa hatreto aloha dia kolokoloiko, dia karakaraiko irery ihany.

Ndeha hisintaka kely hono izy fa izay izao no mba tiany
Mibitsibitsika amiko isan’andro izy hoe mba ataovy amin’izay izay tiany fa
Mila fiainana hafakely hono izy fa tsy vitany intsony ilay fahiny
Dia nohidiany ny varavarana fa izy hono izao tsy mandray vahiny.

Mora tia io fa mora diso fanantenana dia naka lesona
Hoe hijery izay mampidoboka azy amin’izay fa tsy izay mampiesona
Mampalahelo amin’izao fotoana dia mivadika indray ny tany
Lasa ny tsara indray no ratsy… hain’ialahy ihany.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Rak Roots
Vangy : 772
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 28/07/2022 13:38
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113