You are here: home > Tononkira > Raindimby

Fitiavako an'ialahy (Raindimby)

-Tsapako fa toa mandroatra am-poko ato
Ny fitiavako an’ialahy toa rano an’ony

-Re izay ro hotarognina mangina ialahy
Ny ahy efa ela ro namony vony

-Nihevitra aho mantsy fa kilalao ihany
Ka tsa mba nanahiragna ahy na nampitomany

-Tsa mba afeniko fa ny ahy torak’izany
Nefa tato aoriana tsa vitan’izany

Asa raha tena fitia e!
No natolotr’ialahy ahy
Na sarisarim-pitia eee
Nangolain’ialahy fanahy
Raiso ny tanatononkira.serasera.orgko aloha e
Tano ary aza vahana
Ataovy fitia lamban’akoho aho e
Rehefa maty vao ialana

Re sendra lavo ialahy ka mitady ho resy
Akipio ny mason’ialahy , aza miteniteny
Hitranga aho hampahery an’ialahy sy hampandresy
Ny fitiavantsika sy izay kendreny

Asa raha tena fitia e!
No natolotr’ialahy ahy
Na sarisarim-pitia eee
Nangolain’ialahy fanahy
Raiso ny tanako aloha e
Tano ary aza vahana
Ataovy fitia lamban’akoho aho e
Rehefa maty vao ialana

Mpihira : Raindimby
Mpamaky : 5781
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 11/01/2003 18:55:12
ID : 1377

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo