Diso ianao (Raindimby)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lasa ny andro lasa taona
Lasa koa ny fiainako
Tao ny faly ny nisaona
Nifandimby tamiko
Tao ny mamy ny mangidy
Fa ny tena tsy tantiko
Ny andro nadrodananao
Ny mandam-piainako

Fiv :
Sao heverinao fa iny ranomasoko iny
Ranomasona hakiviana
Ranomasom-pijaliana ?
Tsia, tsia
Diso ianao
Satria antenaiko mbola ho avy ny solonao

Asa na ny bikanao
Na ny endrikao kanto
Nentinao handrebirebena
Ny fitiavako efa jambena
Gagagaga angamba ianao
Raha lazaiko ny amiko
F’efa nisy voninkazo
Nanasitrana ity lavo

Fiv
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Raindimby
Vangy : 13984
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : admin
Daty : 05/09/2002 15:26
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1355