Tontolo iray (Pazzapa 3)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(Hery) :Tontolo iray madio sy miavaka ny kianja filalaovana
Tontolo iray, hirahira sy mozika no nandravaka ny fiarahana
(Dinah) :
Fotoana mamy, sarobidy tokoa
Izay hiraikitra ato an-doha eee
Ho fahatsiarovana hitoetra ato am-po
Satria tsy manam-paharoa
(Robby) :
Zava-kanto, tsotra izao
Fialamboly no niainana tao
Tombon-dalana hitarafana sahady
Ilay talenta nananana
(Nanah) :
Fotoana fohy feno firaisam-po
Feno fifankatiavana
Nampifandray, nampiray ihany koa
Nahitana an’ireo namana
(Tahiry) :
Mahafinaritra mampiala voly tokoa
Na dia nampitaintaina indraindray
Nahalalana zava-maro na soa
Nahalalana izay tsy fantatra
(Stan) :
Ireo tebiteby sy ireo tahotra koa
Tsy nahakivy fa niroso hatrany
Nanome izay tena kanto tokoa
Nanome mba izay sitraky ny fo
Refrain :
Pazzapa, Pazzapa, ilay kilalao natao ho anao sy ho anahy
Nampiala voly tsotra izao, fa tsy natao hifaninanana
Pazzapa, Pazzapa, fanandratana talenta vaovao
Izay nikomy tany ho any, izao dia izao hampahafantarina anao
(Nampoina) :
Rehefa lasa izay hahatongavako ny hafa
Mandrosoa fa aza mihafahafa
Ny varavarana misokatra midanadana
Ho anao izay te hianatra
(Stéphane) :
Izay tia mozika, tongava daholo
Fa miandry anao ilay lapasoa
Kolontsaina no voizina ety
Talenta vao asongadina
(Haja) :
Nanome hazavana ny lalan-kombana
Nanorotoro izay lalan-kaleha
Torohevitra maro tsy maintsy ilaina
Isaorana anareo mpanabe
(Omega) :
Nampitombo talenta sy fahalalana
Tombon-dalana iray be dia be
Hanome hirahira hahafinaritra anao
Enga anie !
Refrain (x2) :
Pazzapa (2), ilay kilalao natao ho anao sy ho anahy
Nampiala voly tsotra izao, fa tsy natao hifaninanana
Pazzapa (2) fanandratana talenta vaovao
Izay nikomy tany ho any, izao dia izao hampahafantarina anao
Auteur-Compositeur : Mamy Gotso
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Pazzapa 3Vangy : 245
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hagamamytahiana2023
Daty : 15/07/2025 15:23
