eto amin\'ny tanàna (Parson Jacques)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ETO AMIN’NY TANANA

Ny eto amin’ny tanàna e
Malaza mafana
Mahasalama e mahatamana
Ireo mandalo e tena mahatsiaro
Mihaino ny mozika e sy ny kalokalo

Vazo e hariva manala azy
Manja e milay oah ry nama
Ireo hariva hiatrika azy
Kanto e tsara ry akama a

Ny eto amin’ny tanàna e
Sarotra ialàna
Na ny tompon-tany e
Sy ny hafa mazàna
Ny eto amin’ny tanàna e
Tsy mba foana ny lalàna
Izay tianao hatao
Tsisy miala fa ao

Tsy mangina ny tany
Variana ianao
Mikoràna e
Mikotaba ny tany
Sondriana ianao
Milalao

Vazo e hariva manala azy
Manja e milay oah ry nama
Ireo hariva hiatrika azy
Kanto e tsara ry akama a
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Parson Jacques
Vangy : 2641
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mimi
Daty : 12/11/2004 07:45
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725