Sambatra (Ny Onjam-panahy (Ramarojaona Jean Bruno))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
SAMBATRA


Inona loatra no mampamiratra anao
Ô ry volana ô, mba lazao
Fa be mpitia ka ventsoiny isan’ora
Ô ry volana ô, ambarao


Raha semban-drahona ianao
Maloka ny endrikao
Dia toy ny misy hery volana ô
Miaraka ory aminao izao rehetra izao
Volana ô izay feno misitery


Ny resi-pitia dia miantso anao
Ary mitalaho, volana ô
Ny kamaboty mijaly dia miangavy aminao
Ho sambatra toa anao, volana ô
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Onjam-panahy (Ramarojaona Jean Bruno)
Vangy : 2179
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rakotomalala
Daty : 01/12/2004 06:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736