Tsaroako izao (Ny Nanahary)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsaroako izao ny lasa sy ny fahiny
'Zay nitosiako teo anilanao
Fantatro eny, tsapako ankehitriny
Fa mamy loatra ianao ry 'lay nandao

Tsaroako izao ny lasa sy ny fahiny
'Zay nitosiako teo anilanao
Fantatro eny, tsapako ankehitriny
Fa mamy loatra ianao ry 'lay nandao

Hitalahoako ireo ditra hatr'izay (izay natao)
Mivalo re 'ty fo izay nania (miverena)
Ny fitarainako raha azo atao
Hany iriako hiverenanao (miverena)

Amin'izay, eny, tsy hisy intsony
Ny alahelon'ny fo 'zay sendaotra
Ka ny orokoroka no hampitony
Sy ho mariky ny fitia izay niloatra

Hitalahoko ireo ditra hatr'izay (izay natao)
Mivalo re 'ty fo izay nania (miverena)
Ny fitarainako raha azo atao
Hany iriako ny hiverenanao (miverena)

Amin'izay eny tsy hisy intsony
Ny alahelon'ny fo 'zay sendaotra
Ka ny orokoroka no hampitony
Sy ho mariky ny fitia izay niloatra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Nanahary
Vangy : 2911
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 11/03/2015 01:25
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113