Tena namana (Ny Antsa Kids)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TENA NAMANA

Mandalo sy miserana ny fiainana eto an-tany
Tsy misy azo ianteherana
Mielina ihany
Araraoty anaovan-tsoa
Izarao fitiavana
Hohitanao tokoa tokoa
Izany Tena Namana

Ref: Namana tsy mahafoy
Tsy hivadika tsy mba handao
Tena namanao; tena tia anao
Jesosy no anarany
Ka redony indray ny dera
Asandrato re ny feo
Izy Tompo tena tia ahy sy ianao
Izy tsy mba handao

Malahelo ve ianao
Maro koa ireo nandao
Nilaozan'ireo manodidina
Ny nofinao dia toa nanidina
Ketraka sy very saina
Ts'isy azo antenaina
Soa fa eo ianao Jeso
Izay tena Namana

Ref: Namana tsy mahafoy
Tsy hivadika tsy mba handao
Tena namanao; tena tia anao
Jesosy no anarany
Ka redony indray ny dera
Asandrato re ny feo
Izy Tompo tena tia ahy sy ianao
Izy tsy mba handao
Namana tsy mahafoy
Tsy hivadika tsy mba handao
Tena namanao; tena tia anao
Jesosy no anarany
Ka redony indray ny dera
Asandrato re ny feo
Izy Tompo tena tia ahy sy ianao
Izy tsy mba handao

A/C: Sandratra Minohasina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Antsa Kids
Vangy : 83
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : minohasina2016
Daty : 02/09/2024 08:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.151