Ventsom-bavaka (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianao Ray ô
No antsoinay
Ianao Ray ô
No aina manainga anay
Iantrao Ray ô
Izay mifankatia
Hirahiranay e, ho zary fiainany

Ny fitiavanao mitempo
No tsy mba maty ao anatiko aho
Hirahirako ....!!!
Ilay fitiavanao tsy ritra
Mampitsiky ny fonao !!!
Hirahirako ...!!!

Na maraina mamanala
Na ny alina mangina
Ny hirahirako tsy hiala
Ho eo anilanao
Ho ! Ho ! Ho !
Ho anao ity hira ity
Ny hirahirako ho anao

Matokia (x4) !!!
Fa ny tsara indrindra no omeko anao
Ho ! Ho ! Ho !

Dia aoka izay ny sentonao
Fa ny hirako mitempo ao tratranao
Dia aoka izay ny alahelonao
Sanatria tsy hisy intsony ireny anio
Fa ny hirako mitempo an-tratranao
Dia aoka izay ny sentonao
Fa ny hirako mitempo ao tratranao
Dia aoka izay ny alahelonao
Sanatria tsy hisy intsony ireny anio
Fa ny hirako mivavaka ho anao
Oh hira, oh hira

O ry Ray !
Misaotra anao fa tena tsara ity andro ity
Hirahirako.... !!!
Ireo ny tapaka sy havana
Ny tary mpankafy
Ny hirahirako
Any ho any misy fo mitady ho kivin' ny fitia
Nanantena f'efa nilaozan' ny tiany

Oh ! Oh ! Oh !
Hirako io ( x3 )
Mitondra tsiky sy hery vao
Matokia ( x4 ) fa ny tsara indrindra no omeko anao
Oh ! Oh ! Oh !

Tsy mihira fitiavana aho
Fa ampihirain'ny fitiavana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 5634
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 09/03/2015 11:46
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123