Tompo tsy foiko (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mazàna raha tonga ny onja mahery misetra ny laka-nitàna
Dia tsy hita intsony ny lalan-kaleha sy tanjona izay hiafarana

ref:
Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino
Fa na maizina antoandro ny dia,
Ianao eo ihany kanefa hadino.

Ny làlan-kizorana ity koa anio toa efitra manjepizepy
Dia ny heriko irery no sisa manentana ahy kanefa tsy ela dia kivy
Satria tsy mba mety ho fantatro fa...

Ny toky amin-joky ’zay tsy mahafoy fa manampy raha tojo manjo
Dia efa hikimpiako na koa dia ariako satria entin-toky ny fo
Satria tsy mba mety ho fantatro fa ....

Mahita anoloana ity rahon’akora dia mangovitra mangenahena,
Dia tsy mba mijoro amin’ny saina matoky tsy hanaiky ho resiresena
Satria tsy mba mety ho fantatro fa...

Ny fody eny an-tsaha aza misy miahy sy manafy isan’andro mihiratra
Fa izaho no tsy latsam-paka amin’ny teny hoe:
"Ianao eo mandrakariva"
Satria tsy mba mety ho fantatro fa ny fanahy tsy mba irery raha mino
Fa na maizina antoandro ny dia,
Ianao eo ihany kanefa hadino.
--------
Rohy:
Hevitra
herizosantatriniaina ( 23/03/2017 15:51)
mampitomany ahy le hira rf henoiko.eeeeeh! ts mamptehamerina ny lasa intson
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 9662
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : hira
Daty : 23/03/2008 11:15
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.077