Toky Fitia (Ny Ainga)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na ho jaly na ho tomany No ho fiainako eto an-tany
Tsy ho kivy fa safidy
Na ho tojo izay mangidy
Na tsy hisy ny harena
Tsy hanary an-katerena
Fa izany no porofon’ny fitiavako anao
Na ho sedra sesilany
No ho làlana eto an-tany
Tsy mba resin’ny hakivina
Izay tantanan’ny olon-tiana
Fa mibitaka tokoa
Manan-jara anao ny fo
Tsy hamela anao ny foko
Fa hanjohy anao ety
Raha misy izay manjo
Na manohina ny fo
Aza dia miady irery
Fa inty aho, hanome hery
Satria izany no porofon’ny fitiavako anao
Hasambarana ho ahy
Zay ho anao ka tsy manahy
Ny fitopiko aminao
Dia efa hery amin’ ny atao
Tsy maniona akia,
Inty aho, matoki
Fa izany no porofon’ny fitiavako anao
Raha hisy izay hanjo
Na hanohina ny fo
Zay rehetra sitrakao,
ambarao fa dia hatao
Hataoko izany hatramin' izao
Ho fitiavako anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Ny AingaVangy : 12023
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : zouas
Daty : 23/09/2008 08:18