Teo Ankadifotsy teo (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mitahiry fahatsiarovana tsy lefy ato am-poko ity hira ity
Indray takariva izay,erikerika manify, volana somambisamby
Teo ambonin'io tetezana io, iny Ankadifotsy iny, zara raha nisy fiara
Indry tazako iry avy eny ambony somary taratrin'ny jiro, ery an-tsisin-dalana
Tovovavy iray mijoro efa sasatra miandry izay fiara andehanany, Irery tsisy namana
Eny, ianao mantsy iny
Nandalo aho, nandinika anao
Ianao koa sanganehana nijery tsara ahy, tsy nisy nifankahalala isika
Dia nijanona aho nanatona anao, nanomboka nampiresaka teo akaikinao
Hay ianao hody fa lavitra fodiana
Iny isika roa lasa toa nifankahazo vetivety kely teo, ny andro efa alina

(I I I I love you)
Souvenir iny tsy hadino, souvenir iny malala
Mba nanao ahoana ny amin-dry, f'izaho aty manina an'iny
Ka tsy haiko intsony,f'ianao no lasa tiako
Ka tsy haiko intsony,raha tsisy fanindroany
Tena tsy afa-po mantsy aho, Tena nankafy aho
Te ahita anao indray aho o o o
Te ahita anao iny aho

Dia lasa teo tsika, fa izaho moa nanolo-tena hanatitra anao
Ianao koa tsy nisalasala fa nanaiky am-pitsikiana namihina ahy sahady
Iny anaty lalana iny, iny Ampandrana iny
Iny izaho sy ianao miaraka mamindra fafazan'erikerika
Fa eny Ambohipo hananterana anao, mbola lavidavitra ny lalana amin'ny alina
Izaho mankafy miara-dalana aminao any
Ka tsy tsaroako intsony ny harerahana mangina amin'ny dia an-tongotra iny
Ka lasa tiako tampoka kisendrasendra ianao nefa olona ty fantatro
Ehh!!! ny handao anao tsy vitako
Efa handeha hanao veloma teo am-bavahady teo, vao latsaka ny sentoko
Nanararaotra farany hanoroka anao, hay, hay enao tsy eto fa mandalo ihany
Rahampitso dia hanainga any Toamasina any, dia any Maroantsetra any

(I I I I love you)
Souvenir iny malala, souvenir iny tsy hadino
Ny saiko tsy hitony, f'izaho aty manina an'iny
Ka tsy haiko intsony,raha tsisy fanindroany

Souvenir iny tsy hadino, souvenir iny malala
Mba nanao ahoana ny amin-dry, f'izaho aty manina an'iny
Ka tsy haiko intsony,raha tsisy fanindroany
Toa tsy hitony raha ianao tsy ho hita intsony

Nofihininao aho, hay,nofihininao mafy
Ny volonao petsa mifitsaky ny orana mikasoka ny tavako
Ny fofonao manitra ny ranomanitrao, miraikitra tadidiko
Ny masonao tsy tantiko, ny masonao mijery mbola raikitra ato anatiko
Ehh!! Mahatsiaro anao aho mmmhm

o o o te hahita anao iny aho (x2)
--------
Rohy:
Hevitra
Ra'h Ben ( 07/11/2015 12:29)
Hira mafinaritra, fikalokalon'ny cousin rehefa manala azy kely iny!!! Sady tantara efa niainana!!! Mihira finaritra daholo eehh!!! Tora-tsatroka ho an'ny Koff'Kouz1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 16940
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Ra'h Ben
Daty : 07/11/2015 14:40
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4536