Rafotsy Saropiaro (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ny toetram-bady samy manana
Fa misy zava-mampiady tsy azo tànana
Io ilay vadiko tiako , i Mada mamin’ny foiko
Ianao dia sorisorena tsy mety matoky

De manontany , de mitomany , ‘zaho ve mampirafy ?
Tany Soavinadriana aho tapa-bolana
Irery tao am-pandriana aho tsy nasiako olana
Fa nony tonga aho andoany , ny vadiko mitomany !

Savainy hatramin’ny tratra sy vozon’ankanjoko
O ! Re ry Mada o ! Madan’ny fiainako , aok’izay ho’aho marina !
Misy menamena o ! Ny sisin’ny tenda

Loza marina mafy , tena tsy mba tsy nampoiziko
Oay ! Ty vozon’akanjoko misy tasy mena
Maty anie aho re olona o ! Fa manimanitra

De mivalo anie aho ry vadiko tiako
‘Zaho tsy mampirafy , tena marina mafy !
Aok’izay ny tomany e ! F’izaho hanazava
‘Zaho tsy mampirafy o ! Fa tian’olona !

Ny menamena amin’ny tenda , tsy tao an-tsaiko
Fa kaikitrin’ny moka io , fa de lazaiko

Ny tasy menan’akanjoko , de ron’ny paiso tsy tandriko
Ary tany anaty autobus de tena nisisika
Izany ‘lay manitra , dray re ry lanitra o ! nifindrany ny lambako e !
O ! Ry vady tiako misalasala
Lehilahy lehibe toy izao re ! tsy hisary adala
Izaho ho’aho tsy maditra , fa misy mitsiriritra
Izaho tsy mampirafy fa irin’olona a !

Ka atao ahoana e ! Valaka foana ! nefa odiako fanina
Ny olo-mampirafy , miseho ho saro-piaro
Matoa saro-piaro , de ao ny tombon-tsoa e !
Fa raha ny tombon-tsoa no atao tanjom-pitia

Tsy maintsy mampirafy o ! Tena marina !
Fa rehefa ny lehilahy no mahay miala tsiny
De mampirafy izay , fa mody manafosafo

Fa raha ny vehivavy no miseho ho saro-piaro
Misy zavatra miafina ao o! Tombon-tsoany (2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 966
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Yanona
Daty : 25/01/2021 17:36
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0743