Ny evanjeliko (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ianareo no mpianatro
Irahako eny an-dalana
Omeko fahamarinana
Mba ho lalana amin’ny fiainana
Indrisy ny tany mbola maizina hun
Maizina ny hafatro

Izao tsy nilaza hoe « hitondra fahazavana inareo »
Na hoe« tondray fanasina ny olombelona avotako »
Fa izao oh ” nareo mihintsy no endriko na reo no fanasina”
Nareo no fanasina

2 X [Satry ny fampianarako tsy soratra
Fa fiainana aseho
Tsy boky fa izaho no sori-dalana
Ho tahafinareo]

2 X [Ka nahona nahona no maizina ny tany nefa eo ianareo
Satria satria mikombona ny boky ny finoanareo]

Ref: Nahodinareo ny evanjeliko ny evanjeliko
Ny evanjeliko ny evanjeliko

Izao tsy nilaza hoe” torio ny tsangan-kevitro”
Fa izao no fampianarako ” ataovy zay nataoko oh”
Indrisy ny lanitra banjinareo ny tany karakaina
Ny tany karakaina Ah

2 X [Vavaka no arosinareo ny ory
Tsy ny tenanareo
Ambim-bava ve no homena ny madinika
Sa ny fiainareo]

Ref:Nahodinareo ny evanjeliko ny evanjeliko
Ny evanjeliko ny evanjeliko
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Ny Ainga
Visites : 4283
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : rsniperss
Date : 29/07/2010 15:00
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735