IKALA TINA JULIE (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sipakeky tsy foiko indrý mahasarom-piaro ahy
Tsy nampoizina akory ny nifanenantsika
De iny de izay!
Fitiavana mamy akia ny fitiavandrý ahy
Fa indrý sipakely manaja tsy mba nampirafy
Tsotra fa tsy mba nigafy!

Ny fitiavantsika roa tsy mba nisy fetra
Hatramin'ny fahotana masina vita sy ny etsetra(2)
Fitiavana mamy akia ny fitiavan-drý ahy
Ny roampolo taonan-drý nomendry hisambarako
Je t'aime akia ry malalako!

Oh!saingy izao hoa ry tiako
Misy malalako izay efa nosafidiako
Mijaly ny saiko ato anaty!
Fa izy no taloha mantsy!
Ny fiarahantsika tsy fantàny akory
Fa ny azy de oe mandra-maty

Koa ianao tena tiako fa izy tsy ariako eo an-tratrako
Izy ihany oah no sipa malalako!
Maty aho ry foko adala tsy mampirafy
Fitiavana ity tena mafy!

Ikala Tiana Julie tena mamiko indrý
Ikala Tiana Julie malalako indrý
Lasa adala ny saiko akia raha tsy anilandrý
Ikala Tiana Julie je t'aime akia

Te hiala aminazy anie aho fa indrý manjamanja
Ny fitiavany tsotra ka sao mba hanody
Ka loza no hitranga!
Raha hialana degany izy loza aman-tany!
Fa izy de tsotra manaja tsy hita hiadivana!
Hanody ny fony voafitaka!

Oh! mitomany aho ry tiako
Fa ianao koa tsy foiko fa sipa malalako tiako!
Tsy ho zakan'ny foko efa zatra!
Ianao eny an-tanàn'ny hafa !
Bandy tsihaitsihaiko no hitanatana anao
Ianao anefa sipako izao!

Ny foko hanambady rahampitso haratra tomany!
Ny sipko sipako ihany
Indrý sipako io de ho lasa vadin'olon-kafa ve?
Tsia de tsia tsy ho zakako e!

Ikala Tiana Julie(......)
Ikala Tiana Julie(......)

Tena izany tokoa ve ny fon-dehilahy oh! oh!
Tsy mahasaraka tia olon-droa e! e!
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 9594
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : bhenfinoanihasina
Daty : 14/07/2015 19:02
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0729