Folo taona milay (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Injany manako any toa manako sesilany
Ilay vazo iray tsy ho lefy ao am-ponao
Hangina ny tomany , ny feonay hamalifaly
Kalokalonay tsy mety ho lany …

Barampa-rampa-rampa-rampa-rampa-rampa-rampa-rampa-rampam …
Shalala-lala-lala-lala-lala …
Joulou-lou-lou-lou …

Misy vazo , vazo manja mankafizinao omaly
Mbola maminao androany
Hanjohy anao hatrany hatrany
Ny alahelonao mazàna ,
Ny sentonao tsy tana
Hamakivaky fiainana iny
Norafetinay an-kira ,
De zary souvenira
Iny an-dàlana iny
Na mitsiky na tomany
Vazonay ho anao hatrany
Iny an-dàlana iny !

Barampa à rampa à rampa … rampam …
Shalala-lala …
Joulou-lou-lou ….

Ny fiainanay , fiainan-tsotra tsy nisaraka hatrizay
Nivimbinanay ny vazo , hatrany ambanivohitra any
Ny horakoraky ny tary , ny daolan’ireo viavy , na ny tsikin’ny be lamba
Revy manja daholo izany
Hatrany amoron-tsiraka any
Manja leitsy izany
Vazo manja mampiray , tsotsotra fa milay
NY AINGA leitsy izay !

Any ianao ry malala a !
( any ianao ry malala )
Ianao no kaloiko
( ianao no kaloiko )
Souvenira ny antsika
Tsy havela hangatsiaka
Iny folo taona iny !

Any ianao ry malala a !
( any ianao ry malala )
Ianao no kaloiko
( ianao no kaloiko )
Souvenira milay
No mbola hovazonay
Amin’ny folo taona iny !
Ou ou ou ou !

Folo taona leitsy izay !
( folo taona leitsy izay ! )
Folo taona leitsy ho’ah !
( folo taona e e ! )

Folo taona leitsy izay no nivazonay
Ny vazo milay amin’ny Tanàna a !
Folo taona leitsy izay !
( folo taona a ! )
Iny làlantsika iny !
( iny làlana iny ! )

Ny vazotsika tsy nasiana fisarahana fitia
Nivadibadika ny taona
Isika mbola eny foana
Ambarao ny ao an-tanàna
Fa tsisy fiovana ilay diavolan-takariva
Revy manja manadala ny antsika ry malala a !
Mivavaka eny foana e !
Izaho hiantso anao » allô ! » ( allô ! )
Sokafo ny radio …
Io ilay manja foana e !
Ou ou ou ou !

Folo taona leitsy Izay !
( folo taona izay ! )
Folo taona leitsy ho’ah …
( folo taona e e ! )

Folo taona leitsy Izay no nivazonay
Ny vazo milay lailailailay !
Folo taona leitsy Izay !
( folo taona a ! )
Iny làlantsika iny
( iny làlana iny ! )

Any ianao ry malala a !
( any ianao ry malala )
Ianao no kaloiko
( ianao no kaloiko )
Souvenira ny antsika
Tsy havela hangatsiaka
Iny folo taona iny !

Souvenira milay no mbola ho vazoinay
Amin’ny folo taona iny ! ( … )
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 1435
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Yanona
Daty : 31/07/2020 12:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073