You are here: home > Tononkira > Ny Ainga

Dingam-piainana (Ny Ainga)

https://tononkira.serasera.org/hira/ny-ainga/dingam-piainana

Ny fiainako lasa toa miova ankehitriny
Tsy te ho zaza nefa mitaky tambitamby
Ny fakana tahaka no mitambesatra
Tsikera sy eso no nasetry ahy ho solom-pitia
K’hiraiko izany mba ho tantaram-piainako
Mba hampitraka antsika namako
Ka hahalalanareo izay manodidina ahy
Fa tena saro-pady raha ny taonako
  ’Reo noheverina ho ditrako
  Ny hetahetam-pitomboako
  Tsaroako nisy fahabangana
  Ny fitiavako

Ny rehTsiky dia ampyi-pitiavako misy manararaotra
Ny fihetsika  hasehoko no hanehoako izay mba hevitro
Tsy firy anefa no mahafantatra ahy
Ka rakotry ny aloka ’lay endriko mibaliaka
Koa miverena ianareo ry dada sy neny ô
Toroy ny tsara aho razoky
Nareo ry manodidina ahy no tena taratro
Hanampy ahy amin’ny tanjom-piainako
  Reo noheverina ho ditrako
  Ny hetahetam-pitomboako
  Nasehoko ireo fahosako
  ka tantano (2x) an an aaaa ou o
  Ka tantano.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Ny Ainga
Mpamaky : 3951
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : RAFILOZOFY
Tamin'ny : 21/08/2004 10:02:29
ID : 2572

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo