Charline any Tsaratanana (Ny Ainga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"Charline ihany ity o! Apetrao ny hafatra fa antsoiko ianao raha vao voaraiko e! OK!"

Charline a!(2) Charline no tsara an-tanàna e e e!

Dadan-dry avy any Ambondromamy;
Maman-dry avy any Amparafaravola
Sipa kely nanana ny ampy ndry
Valovontaka any Tsaratanàna

18 ans ndry tonga teto Tanà
Haka bacc tao amin'ny Julles Ferry
Tsy nampoizina ny fiarahan-tsika
Fa teny Ankatso teny ianao
Nipetra-drery tsy nahatanty ny hatsika
Ka nitady ahy hiaraha-milalao

Sipa kely avy any amin'ny faritra indry
Ka tsy mba foiko!
Charline no anarana fiantso an-dry
Ka dia kaloiko!

Manja ndry fa tsy mba nampirafy
Fitarainako raha sendra mafy ady
Hatramin'ny portable findaiko
Dia indry no nahazoako an'ireny
Sambasamba izany tamin'ny andro fahiny
Souvenir-ko ahatsiarovako an-dry
Izay niriako niangaviako taminao
Nomena am-pitsikiana avokoa
Tsisy tamby na takalo izay natao
Fa fitiavana sy fahafaham-po

Tena tsotra sady feno ny fitiavan-dry
Tsy nety tonta!
Tsisy kozy fombafomba na mariazy ny an-dry
Fa tena tsotra!

Sipako sipako ianao!(Sipako sipako ianao)
Very aho lavitra anao!(Very aho lavitra anao)
Tsy afaka hahita solonao intsony aho
Mandao tomany anao!

Izaho ilay notiavinao!
Nangataka aho dia nomenao!
Tsy afaka hahita solonao intsony aho
Charline a! tiako ianao!

Charline! Charline a!

In-telo isan'andro isika no mifam-piantso e!
In-telo isa-kerinandro no mifamangy a!
Fa impiry isika no mba niara-nivazo o?
In-telo isam-bolana ihany!

In-telo isam-bolana ihany akia Charline a!

Tsaroko ndry ny alina tomany
Zava-doza ny hetraketraky ny tany
Zara mba tafakatra an'Ankatso ndry
Dia tsy maintsy nody tany an-tànana
Dadan-dry no maty ny alinan'iny andro iny
Dia iny ndry tsy no tsitafody teto intsony
Souvenir sisa ny eto vohitsara
Fa ny antsoko isan'andro manirery
Firy taona izay sa efa tsy anjara
Mampamangy any amin'ny faritra boeny

Ny sariko firavako notehirizin-dry
No sisa nofiko!
Ny finday portable cadeau tamin-dry
Mbola eto an-tsofiko!

Sipako sipako ianao!(Sipako sipako ianao)
Very aho lavitra anao!(Very aho lavitra anao)
Tsy afaka hahita solonao intsony aho
Mandao tomany anao!

Charline! Charline a!
In-telo isam-bolana ihany akia Charline a!

Nisy viavy sendra nandalo
Naman-dry fahiny avy any an-tanàna
Lasalasa tampoka ny tafa
Fa hoe:mbola any foana hono indry e!
Roa taona teo ho eo hoy ity sipa ity
Nifanena hono tany Mahajanga
Nidobodoboka ny foko nitomany
Fa hay ianao mbola any tsy manahy
Isan'andro no iantsoko anao any
Fa nisy numero nomeny ahy
Fa tena loza ny hakiviako
Tsisy nahazo tsisy nahazo an-dry
Izay antso vitako!
Fa messagerie vocale foana izy ity
Ka tena tsy hitako!

"Charline ihany ity o! Apetrao ny hafatra fa antsoiko ianao raha vao voaraiko e!"

Indrisy omaly nefa ry akama
Tsy nampoizina ny donan'ny tantara
Nisy bandy akama saofera
Depart ho any Tsaratanàna
Hataoko surprise 'zaho hitsidika azy any
Fa tsy tantiko ny onjam-pitia
Teo vao ketraka aho raha nilazàna
Fa veloma lava ny finday
Fa hay ity Charline malala
Nalevina roa volana izay
Dia ny feony no mamaly amin'ny messagerie
Fa izy lasana!
Charline tsy foiko souvenir ko ndry
F'efa any am-pasana!

Charline a!Charline a!

Charline any Tsaratanàna lasa tsy tana any ankaotra any!(3)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Ainga
Vangy : 73
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : hery
Daty : 15/01/2025 18:38
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0809