Pejy Faharoa (Ny Aina Herimanohisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ref:Pejy faharoa no miandry anao eo
Fiainam-bao izany,tantara vaovao
Nanana sanjila iray ianao tsy vita hatreo
Vao pejy iray no tapitra ,pejy faharoa no miandry anao

Maro ny mety olako,ao ny ara-bola
Ny fitiavana etsy an-daniny mampikolay mampifona
Ny fiaraha-monina koa ery manisy sira
Ny namana angatahan-javatra koa mampifila
Tsy aiko ny tokony ataoko
Anova ny fomba famindra ve sa ny fomba fanaoko
Anova izay mety ho teniko ve sa ny eritreritro
Anova izay ratsy aty amiko angamba no fika entiko
Ampatsiro ny fiainana,ahatonga saina ny sasany
Hoe tsy izay manam-bola irery no tokony hajain'ny namany
Fa tsy misy olona diso anjara eto an-tany
Satria raha ny anjara izany ve?? tsy lany
Ka hatrakao ny loha,dia toneo koa ny fo
Ny fianarana ny fahendrena no ataovy milay aloha

Ref:Pejy faharoa no miandry anao eo
Fiainam-bao izany,tantara vaovao
Nanana sanjila iray ianao tsy vita hatreo
Vao pejy iray no tapitra ,pejy faharoa no miandry anao

Anatra ve ny fiteny azy sa fahatongavan-tsaina
Fa tsy ny harena irery no matsiro,tsy ny harena irery no ilaina
Tsy voavidy izany ny tsiky avoakanao
Izao dia izao,dia ovao ny toetra ratsy fanao
Ka androany,tantara hafa indray
Tongava saina fa aza miandry fay
Fa raha ny fiainana mbola ho lava,
Raha ny fanantenana tsy mety rava
Sedra-piainana tsy maintsy misy
Hatrakao ny loha,dia ny faharatsiana no esory,ataovy vitsivitsy
Fanaratsiana misy foana,fa ny fiainana tokony harindra
Fa raha tian'ialahy fantarina,nianjera izaho vao nahay namindra
Tao anaty aizina izaho no nahita hazavana
Tao anaty ny hirifiry no nahita hafanana
Izay no teniko manambara fa mbola ho tafa
Izay no koziko miteny hoe mbola ikombona ny ratra

A/C: Ny Aina Herimanohisoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Aina Herimanohisoa
Vangy : 556
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ny Aina kely
Daty : 30/08/2022 22:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755