Fitiavako anao (Ny Aina Herimanohisoa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Raha ho lazaiko eto daholo ny ato am-poko tsy ampy ny telo minitra
Anambarako izay tena fitiavako,fitiavako tsy mety ritra
Ataoko miadana,amin'ny fomba " poétique "
Mba ahatsapanao hoe tia anao aho
Maro mantsy ny mpitsiriritra
Dia aleo ambarako eto izao,ny fitiavako anao

Ye tiako ianao

Dia aleo koa tanterahako ilay nofintsika roa
Ilay "Mandrakizay" nolazaina taloha
Tadidiko ireny mbola mitoetra hatramin'izao
Tsy navalon'ny taona,mipetraka foana ilay voady nataontsika sy ianao
Marina fa kely no mba vitako,tsy mahavita ny vitan'ny sasany
Fa fitiavana tsy misy fangarony,ataoko be dia be ny fatrany
Tsy mba ho lany,tsy mba misy fetrany

ye tiako ianao

Izay no fanomezana lehibe indrindra avy aty amiko
Tsy manam-bola aho mantsy mba indramiko
Averiko hatrany,fitiavako anao no mitoetra ato anatiko
Angamba tsy izaho no voalohany niteny izay tsapany
Tsy teny fotsiny ny ahy fa tanterahako ho itan'izao tontolo izao amin'izay fantany
Fa tsy mila ankoatra anao
Tsy mila olon-kafa fa efa babonao babonao ny foko
Tsy izaho angamba ny voalohany
Fa ny toky omeko dia hoe :aleo izaho no mba farany
Maro no mety efa nandalo
Tsy omeko tsiny ianao fa izaho fotsiny aza ariana,aza adino,aza atakalo
Maro no mety notiavinao
Ny teniko ny ahy dia tsotra,ampy ahy ny fitiavanao

ref: Ny fitiavako anao
Dia mitoetra foana foana
Na be ary ny ady
Mitoetra hatrany ilay voady
Na mandeha ny andro,mivalona ny taona
Tsarovy fa tiako ianao

Mety misy iteny hoe izaho mahay mampiresaka
Matokia ahy fa ianao ihany,ianao hatrany mahatonga ny foko ho tia
Ianao mahatonga fanantenako ho betsaka
Tsy mba vitako izany ny andao anao,sanatria
Raha ny amiko?? ho eo anilanao hatrany
Betsaka ny toe-javatra mbola iainana,na mangidy na mamy
Betsaka ny ady mbola hatrehana
Manàna saina tia faharetana
Fa izaho tsy mba ho tofoka tsy ho leo
Dia enohy ny teniko,enohy ilay feo
Maro ny mety isompatra
Itazona ny vavahadin'ny fitiavana tsy isokatra
Be ny anakana ny lalantsika
Tsy ahatratrarana ilay tanjona nofinofisintsika
Fantatrao amin'izay fa tsy voatery ifanaraka amin'ny eritreritra ny mitranga
Fa tsy atao ahakivy izany
Fa mbola eto aho,mbola eto ameno ny banga
Izay misy ao aminao,mbola eto anome fitiavana be dia be
Mandeha ny andro,mandeha ny taona tsy hitahita tsy re
Fa mijanona ho tokako ianao
Mijanona ho ilay tiako hatramin'izao
Izay tsarovy fotsiny hoe isika mbola ho tafa
Ankino amin'Andriamanitra ny fiarahana sy izay zavatra rehetra hafa

A/C: Ny Aina Herimanohisoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Ny Aina Herimanohisoa
Vangy : 774
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Ny Aina kely
Daty : 30/08/2022 22:44
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.322