Tsy mazava (Noro Andrianasolo)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy mazava,Feno zara vilana
Ny fijerinareo
Eny ambony eny
Mitongilana.
Trano mivava,
Tena ratsy fototra,
Moa ianareo manam-pahefana ve
Mba rototra ?
Ny tao trano tsy hefan’irery,
Ny aintsika no atao vy very,
Hiaraka hanao lalam-panorenana,
Izay mahasoa ihany no aoka hoheverina.
Eo no tsy mazava,
Feno olankolaka,
F’ianareo izay mitondra
Toa miha be kibo,
Toa miha mivondraka.
Trano mivava,
Efa hidaraboka ;
Toa nofy ianareo izay hiaiky
Hoe diso ka hibaboka.
Manàna finoana sy fanantenana,
Io haizina io mbola ho tonga hazavana,
Matoritoria fa hanaterana hena,
Izahay no hanavotra ny firenena.
Tena tsy mazava e
Feno fitapitaka
Tompon-trano mihono
Dia ny vahiny no mibitaka
Trano mivava
Efa tena hianjera,
Ianareo izay mitondra
Kanefa toa mifandom-bera.
Ny kabarinareo ambony vavahady,
Fihetsikareo toa vazaha mody miady,
Izahay vahoaka efa vava takiky,
Toa hisara-bazana fa mikility.
Satria tsy mazava e
Feno lobolobo
Ny andovianareo
Isan’andro vaky dia miha mitombo.
Gasy tsisy hataina,
Zary miala aina e
Ianareo mody gisa hoe :
Ny kirizy kely sisa e
Aza kely finoana sy fanatenana,
Ny olana rehetra dia azo vahàna,
Fitetezan-tanàna, fanaovan-tsonia,
No mety hanavotana ity tany ity.
Eo ilay tsy mazava e
Sao dia mampihesona,
Fa ity Gasikara sy ny vahoakany
Efa fesona.
Trano mivava,
Rodana hikoro,
Sao dia amoahanareo
Film mampihorohoro.
Trano nivava
Efa tena hianjera,
Mifohaza isika Malagasy
Tsy hangorera.
Trano nivava
Aza avela hianjera:
Ny anjara birikinao no ilaina
Ka mihevera.
Noro ANDRIANASOLO 1996
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : Noro AndrianasoloVangy : 401
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : jantina
Daty : 08/01/2023 01:18